Salamo 50:1-8 Malagasy Bible (MG1865)

1. Salamo nataon i Asafa. Andriamanitra Andriananahary, dia Jehovah, no miteny ka miantso ny tany hatramin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehany.

2. Avy ao Ziona, izay tena fahatsaran-tarehy, no amirapiratan'Andriamanitra.

3. Avy Andriamanitsika ka tsy hangina; afo no mandevona eo alohany, ary tafio-drivotra mahery no manodidina Azy.

4. Miantso ny lanitra any ambony Izy, sy ny tany koa, mba hitsaràny ny olony:

5. Angony etỳ amiko ny oloko masina izay manao fanekena amiko amin'ny fanatitra.

6. Hasehon'ny lanitra ny fahamarinany; fa Andriamanitra no Mpitsara.

7. Mihainoa, ry oloko, fa hiteny Aho; Ry Isiraely ô, fa hanambara aminao Aho; Izaho no Andriamanitra, dia Andriamanitrao.

8. Tsy ny fanatitrao no ananarako anao, ary efa eo anatrehako mandrakariva ny fanatitra doranao.

Salamo 50