1. Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'ny Koraita. Salamo. Mandrenesa izao, ry firenena rehetra; mihainoa, ry mponina rehetra amin'izao tontolo izao:
2. Na ny ambany, na ny ambony, na ny manan-karena, na ny malahelo.
3. Ny vavako hiteny fahendrena; ary ny fieritreretan'ny foko dia fahalalana.
4. Hanongilana ny sofiko hihaino oha-teny aho, ary hanonona teny saro-pantarina ampiarahiko amin-dokanga.
5. Nahoana no hatahotra amin'ny andro fahoriana aho, nony manodidina ahy ny haratsian'ny mpamingana ahy,
6. Dia izay matoky ny hareny, Sy mirehareha amin'ny haben'ny fananany?