Salamo 48:1-8 Malagasy Bible (MG1865)

1. Tonon-kira. Salamo nataon'ny Koraita. Lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, ao an-tanànan'Andriamanitsika, ao an-tendrombohiny masina.

2. Avo mahafinaritra, fifalian'ny tany rehetra, ny tendrombohitra Ziona, eo amin'ny ilany avaratra, tanànan'ny Mpanjaka lehibe.

3. Andriamanitra ao an-tranon'andriana ao dia nanao izay hahafantarana Azy ho fiarovana avo.

4. Fa he! niangona ny mpanjaka maro, niara-nandroso avokoa izy.

5. Nijery izy ka talanjona terỳ; Very hevitra izy ka nalaky nandositra;

6. Hovitra no nahazo azy teo, dia tahaka ny fanaintainan'ny vehivavy raha miteraka.

7. Amin'ny rivotra avy any atsinanana no namakianao ny sambon'i Tarsisy.

8. Araka izay efa rentsika no hitantsika, tao an-tanànan'i Jehovah, Tompon'ny maro, tao an-tanànan'Andriamanitsika. Andriamanitra mampitoetra azy mandrakizay.

Salamo 48