Salamo 47:7-9 Malagasy Bible (MG1865)

7. Fa Mpanjaka amin'ny tany rehetra Andriamanitra; mahaiza mankalaza tsara ianareo.

8. Andriamanitra manjaka amin'ny firenen-tsamy hafa; Andriamanitra mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianany masina.

9. Ny mpanapaka ny firenen-tsamy hafa miangona ho olon'Andriamanitr'i Abrahama; fa an'Andriamanitra ny ampingan'ny tany; Avo indrindra Izy.

Salamo 47