Salamo 43:1-3 Malagasy Bible (MG1865)

1. Omeo rariny aho, Andriamanitra ô, ary alaharo ny teniko haharesy ny firenena tsy misy famindram-po; Vonjeo aho ho afaka amin'ny lehilahy mpamitaka sy mpanao meloka.

2. Fa Hianao no Andriamanitry ny heriko; Nahoana no manary ahy Hianao? Nahoana no mandeha mijoretra aho noho ny fampahorian'ny fahavaloko?

3. Ampandehano ny fahazavanao sy ny fahamarinanao; aoka hitarika ahy ireo ka hitondra ahy ho any an-tendrombohitrao masina, dia ho any amin'ny tabernakelinao.

Salamo 43