7. Ny lalina miantso ny lalina noho ny firohondrohon'ny riananao; ny onjanao rehetra sy ny alon-dranonao efa nanafotra ahy.
8. Jehovah handidy ny famindram-pony nony andro, ary ho amiko nony alina ny fihirana Azy, dia vavaka amin'Andriamanitry ny aiko.
9. Hoy izaho amin'Andriamanitra Vatolampiko: nahoana no nanadino ahy Hianao? nahoana no mandeha mijoretra aho noho ny fampahorian'ny fahavaloko?
10. Toy ny zavatra mahatorotoro ny taolako no fandatsan'ny fahavaloko ahy, ka hoy izy isan'andro: Aiza izay Andriamanitrao?
11. Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko? ary nahoana no mitoloko ato anatiko ianao? ManantenĂ an'Andriamanitra, fa mbola hidera Azy ihany aho, Izy no famonjena ny tavako sady Andriamanitro.