6. Andriamanitro ô, mitanondrika ato anatiko ny fanahiko; Izany no ahatsiarovako Anao eo amin'ny tanin'i Jordana sy amin'ireo Hermona ary amin'ny tendrombohitra Mizara.
7. Ny lalina miantso ny lalina noho ny firohondrohon'ny riananao; ny onjanao rehetra sy ny alon-dranonao efa nanafotra ahy.
8. Jehovah handidy ny famindram-pony nony andro, ary ho amiko nony alina ny fihirana Azy, dia vavaka amin'Andriamanitry ny aiko.
9. Hoy izaho amin'Andriamanitra Vatolampiko: nahoana no nanadino ahy Hianao? nahoana no mandeha mijoretra aho noho ny fampahorian'ny fahavaloko?
10. Toy ny zavatra mahatorotoro ny taolako no fandatsan'ny fahavaloko ahy, ka hoy izy isan'andro: Aiza izay Andriamanitrao?