Salamo 42:1-4 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ho an'ny mpiventy hira. Maskila. Nataon'ny Koraita. Tahaka ny diera mihanahana maniry ny rano an'ony no anirian'ny fanahiko Anao, Andriamanitra รด.

2. Mangetaheta an'Andriamanitra ny fanahiko, dia Andriamanitra velona; Rahoviana no ho tonga aho ka hiseho eo anatrehan'Andriamanitra?

3. Ny ranomasoko no fiahiko andro aman'alina, amin'ny anaovany ahy mandrakariva hoe: Aiza izay Andriamanitrao?

4. Izao zavatra izao no hotsarovako, ka haidiko ato anatiko ny fanahiko, dia ny nandrosoako niaraka tamin'ny maro, sy ny nitarihako azy ho any an-tranon'Andriamanitra, nanao feo mihoby sy midera, dia olona maro izay nitandrina ny andro firavoravoana.

Salamo 42