Salamo 40:6-12 Malagasy Bible (MG1865)

6. Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina tsy mba sitrakao ny sofiko nataonao malady ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota tsy mba nilainao;

7. Dia hoy izaho:inty aho tonga ao amin'ny horonam-boky no nanoratana ahy.

8. Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako; ary ny lalanao no ato anatiko.

9. Efa nilaza teny mahafaly ny amin'ny fahamarinana teo amin'ny fiangonana lehibe aho; indro ny molotro tsy mba nakomboko; Jehovah ô, Hianao no mahalala.

10. Ny fahamarinanao tsy mba nafeniko tato am-poko; ny fahamarinanao sy ny famonjenao no nambarako; tsy nanafina ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao tamin'ny fiangonana lehibe aho.

11. Hianao, Jehovah ô, aza miaro ny antranao tsy ho amiko; aoka ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao hiaro ahy mandrakariva.

12. Fa nanodidina ahy ny fahoriana tsy tambo isaina; nahazo ahy ny heloko, ka tsy mahay mijery aho; maro noho ny volon-dohako ireny, ka reraka ny foko.

Salamo 40