1. Ho an'ny mpiventy hira. Ho an'i Jedotona Salamo nataon'i Davida. Hoy izaho: hitandrina ny lalako aho ka tsy hanota amin'ny lelako; hasiako fehim-bava ny vavako, raha mbola eo anatrehako ny ratsy fanahy.
2. Nangina mihitsy aho, namihim-bava ka tsy nilaza na dia ny tsara aza, dia nihetsika mafy ny fanaintainan'ny aretiko.
3. Nafana ny foko tato anatiko; raha nieritreritra aho, dia nisy afo nirehitra, ka niteny tamin'ny lelako aho.
4. Jehovah ô,ampahafantaro ny farako aho sy izay ohatry ny androko; aoka ho fantatro fa olon-kandalo aho.
5. Indro efa nataonao vodivoam-pelatanana ny androko, ary ny fiainako toy ny tsinontsinona eo anatrehanao. Zava-poana ihany tokoa ny olon-drehetra, na dia matanjaka aza.
6. Aloka tokoa no fandehandehan'ny olona; zava-poana tokoa no itabatabàny; mihary harena izy nefa tsy fantany izay ho tompon'izany.
7. Ary ankehitriny, inona no andrasako Tompo ô? Hianao no antenaiko.
8. Manafaha ahy amin'ny fahadisoako rehetra; aza manao ahy ho fanakoran'ny adala.
9. Mangina aho ka tsy miloa-bava fa ianao no nanao izao.
10. Aoka hitsahatra ny fikapohanao ahy; reraka aho azon'ny famelin'ny tananao.