Salamo 38:7-19 Malagasy Bible (MG1865)

7. Ary ny vaniako henika ny aretina mahamay, ka tsy misy fahasalamana ny nofoko.

8. Marikoditra aho sady torovana indrindra; midradradradra aho noho ny fitolokon'ny foko.

9. Ry Tompo ô, eo anatrehanao ny faniriako rehetra;ary ny fisentoako tsy mba miafina aminao.

10. Miemponempona ny foko, lany ny heriko, ary ny fahiratan'ny masoko aza efa nandao ahy.

11. Ny olo-malalako sy ny sakaizako aza efa manalavitra ny fahoriako; Ary ny havako mijanona eny lavitra eny.

12. Mamela-pandrika izay mitady ny aiko; ary izay mitady hanimba ahy miteny fanimbana,sy misaim-pitaka mandrakariva.

13. Fa izaho dia tahaka ny marenina ka tsy mandre, ary tahaka ny moana ka tsy mahaloa-bava;

14. Eny, dia tahaka ny olona tsy mandre, sady tsy misy teny havaly eo am-bavany.

15. Fa ianao no antenaiko Jehovah ô; ianao no hamaly, ry Tompo Andriamanitra ô.

16. Fa hoy izaho: sao dia hifalian'izy ireo anie aho;ary raha mibolisatra ny tongotro, dia hirehareha amiko izy.

17. Fa efa ho lavo aho, ary ny fanaintainako dia tsaroako mandrakariva.

18. Fa ny heloko no hambarako; matahotra aho noho ny fahotako.

19. Fa ny fahavaloko velona ihany sady mahery; ary maro no mandrafy ahy tsy ahoan-tsy ahoana;

Salamo 38