1. Salamo nataon'i Davida. Ho fampahatsiarovana. Jehovah ô, aza ny fahatezeranao no ananaranao ahy; ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy.
2. Fa mitsatoka amiko ny zana-tsipìkanao,ary manindry ahy mafy ny tananao,
3. Tsy misy fahasalamana ny nofoko noho ny fahatezeranao; tsy misy tsy marary ny taolako noho ny fahotako.
4. Fa ny heloko efa mihoatra ny lohako; tahaka ny entana mavesatra izy ka tsy zakako.
5. Maimbo sady mihady ny feriko noho ny hadalako.
6. Mitanondrika sy mijoretra indrindra aho, ary misaona mandrakariva.
7. Ary ny vaniako henika ny aretina mahamay, ka tsy misy fahasalamana ny nofoko.