1. Salamo nataon'i Davida. Ho fampahatsiarovana. Jehovah ô, aza ny fahatezeranao no ananaranao ahy; ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy.
2. Fa mitsatoka amiko ny zana-tsipìkanao,ary manindry ahy mafy ny tananao,
3. Tsy misy fahasalamana ny nofoko noho ny fahatezeranao; tsy misy tsy marary ny taolako noho ny fahotako.
4. Fa ny heloko efa mihoatra ny lohako; tahaka ny entana mavesatra izy ka tsy zakako.
5. Maimbo sady mihady ny feriko noho ny hadalako.
6. Mitanondrika sy mijoretra indrindra aho, ary misaona mandrakariva.
7. Ary ny vaniako henika ny aretina mahamay, ka tsy misy fahasalamana ny nofoko.
8. Marikoditra aho sady torovana indrindra; midradradradra aho noho ny fitolokon'ny foko.
9. Ry Tompo ô, eo anatrehanao ny faniriako rehetra;ary ny fisentoako tsy mba miafina aminao.
10. Miemponempona ny foko, lany ny heriko, ary ny fahiratan'ny masoko aza efa nandao ahy.
11. Ny olo-malalako sy ny sakaizako aza efa manalavitra ny fahoriako; Ary ny havako mijanona eny lavitra eny.