Salamo 37:28-35 Malagasy Bible (MG1865)

28. Fa Jehovah tia rariny sady tsy hahafoy ny olony masina; Harovana mandrakizay ireo; Fa taranaky ny ratsy fanahy hofongorana,

29. Ny marina handova ny tany Ka honina ao aminy mandrakizay

30. Ny vavan'ny marina miresaka fahendrena, Ary ny lelany manambara ny rariny.

31. Ny lalàn'Andriamaniny no ao am-pony; Tsy mba ho solafaka ny diany.

32. Mitsikilo ny marina ny ratsy fanahy ka mitady hahafaty azy.

33. Jehovah tsy hahafoy azy eo an-tanany. Na hanameloka azy, raha tsaraina izy.

34. Miandrasa an'i Jehovah, ka tandremo ny lalàny, dia hanandratra anao handova ny tany Izy; Ho faly hahita ny hamongorana ny ratsy fanahy ianao.

35. Efa hitako ny ratsy fanahy, fa loza loatra izy, ary nandrahaka tahaka ny hazo maitso maniry ho azy;

Salamo 37