Salamo 37:14-18 Malagasy Bible (MG1865)

14. Ny ratsy fanahy nampitsoaka ny sabany ka nanenjana ny tsipìkany mba hampikarapoka ny ory sy ny malahelo, ary hamono ny mahitsy lalana.

15. Ny sabany hitsatoka amin'ny fony ihany, ary ny tsipìkany ho tapatapaka.

16. Tsara lavitra ny kely ananan'ny ratsy fanahy maro.

17. Fa ny sandrin'ny ratsy fanahy ho tapatapaka; Fa Jehovah manohana ny marina.

18. Fantatr'i Jehovah ny andron'ny mahitsy; Ary ny lovany ho mandrakizay.

Salamo 37