Salamo 37:1-6 Malagasy Bible (MG1865)

1. Nataon'i Davida. Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin'ny mpanao ratsy; Ary aza mialona ny mpanao meloka;

2. Fa hojinjana faingana tahaka ny ahitra izy ka halazo tahaka ny ahi-maitso.

3. Matokia an'i Jehovah ianao, ka manaova soa, dia honina amin'ny tany ianao ka ho faly amin'ny fahamarinana.

4. Ary miravoravoa amin'i Jehovah ianao, dia homeny anao izay irin'ny fonao.

5. Ankino amin'i Jehovah ny lalanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka.

6. Ary hampiseho ny fahamarinanao tahaka ny mazava Izy, ary ny rariny ho anao tahaka ny mitataovovonana.

Salamo 37