Salamo 36:9-12 Malagasy Bible (MG1865)

9. Fa ao aminao no misy loharanon'aina; ny fahazavanao no hahitanay fahazavana.

10. Ampahareto amin'izay mahalala Anao ny famindram-ponao, ary ny fahamarinanao amin'ny mahitsy fo.

11. Aoka tsy hanitsaka ahy ny tongotry ny mpiavonavona, na hampandositra ahy ny tanan'ny ratsy fanahy.

12. Indreo! efa lavo ny mpanao ratsy; naripaka izy ka tsy maharina.

Salamo 36