Salamo 35:4-11 Malagasy Bible (MG1865)

4. Aoka ho menatra sy ho afa-baraka izay mitady ny aiko; aoka hiamboho sy hangaihay izay misaina hanisy ratsy ahy.

5. Aoka ho tahaka ny akofa eo alohan'ny rivotra izy. Ary aoka ny Anjelin'i Jehovah handroaka azy.

6. Aoka ho maizina sy malama ny lalany, ary aoka ny Anjelin'i Jehovah hanenjika azy.

7. Fa tsy ahoan-tsy ahoana no nanaovany fandri-totofana hahazoany ahy; tsy ahoan-tsy ahoana no nandavahany hamandrihany ny aiko.

8. Aoka ny fandringanana ho tonga tampoka aminy; ary aoka hahazo azy ny fandrika harato nafeniny, ka ho latsaka ao amin'izany fandringanana izany indrindra izy.

9. Fa ny fanahiko kosa hifaly amin'i Jehovah sy ho ravoravo amin'ny famonjeny.

10. Ny taolako rehetra hanao hoe: Jehovah รด, iza no tahaka Anao, Izay manafaka ny ory amin'izay tsy tohany, eny, ny ory sy ny malahelo amin'izay mamabo azy?

11. Mitsangana ny vavolombelona mampidi-doza; ka izay tsy fantatro no anadinany ahy.

Salamo 35