1. Nataon'i Davida. Jehovah ô, mamalia izay manana ady amiko; miadia amin'izay mamely ahy.
2. Raiso ny ampinga kely sy ny ampinga lehibe ka mitsangàna hamonjy ahy.
3. Ary raiso ny lefona, ka sakano izay manenjika ahy; lazao amin'ny fanahiko hoe: Famonjena anao Aho.
4. Aoka ho menatra sy ho afa-baraka izay mitady ny aiko; aoka hiamboho sy hangaihay izay misaina hanisy ratsy ahy.
5. Aoka ho tahaka ny akofa eo alohan'ny rivotra izy. Ary aoka ny Anjelin'i Jehovah handroaka azy.
6. Aoka ho maizina sy malama ny lalany, ary aoka ny Anjelin'i Jehovah hanenjika azy.