Salamo 31:20-24 Malagasy Bible (MG1865)

20. Hanafina azy ao amin'ny fiafenana eo anatrehanao Hianao, mba tsy ho tratry ny teti-dratsy ataon'ny olona izy; hampiery azy ao an-tranonao Hianao, mba tsy ho azon'ny lela mifanditra izy.

21. Isaorana anie Jehovah; fa nataony mahagaga ny famindram-pony tamiko tao an-tanĂ na mimanda.

22. Fa hoy izaho tamin'ny fahatairako; voafongotra tsy ho eo imasonao aho; kanjo nihaino ny feon'ny fifonako ihany Hianao, raha nitaraina taminao aho.

23. Tiava an'i Jehovah, ry olony masina rehetra; miaro ny marina Jehovah, ary mamaly dia mamaly ny mpiavonavona Izy.

24. Mahereza, ary aoka hatanjaka ny fonareo, dia ianareo rehetra izay manantena an'i Jehovah.

Salamo 31