Salamo 29:1-7 Malagasy Bible (MG1865)

1. Salamo nataon'i Davida. Manomeza an'i Jehovah, ry zanak'Andriamanitra, eny, manomeza voninahitra sy hery ho an'i Jehovah.

2. Omeo an'i Jehovah ny voninahitry ny anarany; miankohofa eo anatrehan'i Jehovah amin'ny fihaingoana masina.

3. Ny feon'i Jehovah no eny ambonin'ny rano be; Andriamanitry ny voninahitra no mampikotrokorana; Jehovah no eny ambonin'ny rano be.

4. Ny feon'i Jehovah be hery; Ny feon'i Jehovah be voninahitra.

5. Ny feon'i Jehovah manorotoro ny hazo sedera; eny, Jehovah manorotoro ny hazo sedera any Libanona.

6. Dia mampitsambikina azy tahaka ny zanak'omby Izy, Libanona sy Siriona dia tahaka ny zanaky ny ombimanga.

7. Ny feon'i Jehovah mampisaraka ny lelafo;

Salamo 29