Salamo 28:6-9 Malagasy Bible (MG1865)

6. Isaorana anie Jehovah, fa efa nihaino ny feon'ny fifonako Izy.

7. Jehovah no heriko sy ampingako; izy no nitokian'ny foko, ka voavonjy aho; dia mifaly ny foko, ka ny hirako no hiderako Azy.

8. Jehovah no heriny, ary Izy no fiarovana mafy hamonjena ny voahosony.

9. Vonjeo ny olonao, ary tahio ny lovanao; andraso izy, ka tezao mandrakizay.

Salamo 28