Salamo 28:4-9 Malagasy Bible (MG1865)

4. Manomeza azy araka ny asany sy ny faharatsian'ny ataony; eny, manomeza azy araka ny vitan'ny tànany, valio izy araka izay iendrehany.

5. Fa tsy mihevitra ny asan'i Jehovah, na ny vitan'ny tànany, izy, dia horavan'i Jehovah izy, fa tsy haoriny.

6. Isaorana anie Jehovah, fa efa nihaino ny feon'ny fifonako Izy.

7. Jehovah no heriko sy ampingako; izy no nitokian'ny foko, ka voavonjy aho; dia mifaly ny foko, ka ny hirako no hiderako Azy.

8. Jehovah no heriny, ary Izy no fiarovana mafy hamonjena ny voahosony.

9. Vonjeo ny olonao, ary tahio ny lovanao; andraso izy, ka tezao mandrakizay.

Salamo 28