Salamo 26:9-12 Malagasy Bible (MG1865)

9. Aza mitondra ny fanahiko hiara-maty amin'ny mpanota, na ny aiko amin'ny mpandatsa-drà,

10. Izay misy fitaka eny an-tànany, ary feno kolikoly ny tànany ankavanana.

11. Fa izaho kosa dia mandeha amin'ny fahamarinako; avoty sy amindrao fo aho.

12. Ny tongotro mijoro eo amin'ny tany marina; eo am-piangonana no isaorako an'i Jehovah.

Salamo 26