Salamo 26:4-11 Malagasy Bible (MG1865)

4. Tsy mba miara-mipetraka amin'ny olon-dratsy aho, na manan-draharaha amin'ny olom-petsy.

5. Halako ny fiangonan'ny mpanao ratsy; ary tsy miara-mipetraka amin'ny ratsy fanahy aho.

6. Manasa ny tanako noho ny fahamarinako aho, ka te-hitoetra eo akaikin'ny alitaranao, Jehovah ô,

7. Mba hanao feo fiderana, ka hilaza ny asanao mahagaga rehetra.

8. Jehovah ô, tiako ny trano itoeranao, dia ny fonenan'ny voninahitrao.

9. Aza mitondra ny fanahiko hiara-maty amin'ny mpanota, na ny aiko amin'ny mpandatsa-drà,

10. Izay misy fitaka eny an-tànany, ary feno kolikoly ny tànany ankavanana.

11. Fa izaho kosa dia mandeha amin'ny fahamarinako; avoty sy amindrao fo aho.

Salamo 26