Salamo 25:12-18 Malagasy Bible (MG1865)

12. Iza no lehilahy matahotra an'i Jehovah? Izy no hampianariny izay lalana tokony hofidiny.

13. Ny fanahiny hitoetra amin'ny soa; ary ny taranany handova ny tany.

14. Ny fisainan'i Jehovah asehony amin'izay matahotra Azy, ary ny fanekeny no hampahafantariny azy.

15. Ny masoko mijery an'i Jehovah mandrakariva; fa Izy no nanafaka ny tongotro tamin'ny fandrika harato.

16. Todiho aho, ka amindrao fo, fa irery aho ka mahantra.

17. Ny fahorian'ny foko efa mihalehibe; afaho amin'ny fahatereko aho.

18. Jereo ny fahoriako sy ny mavesatra amiko, ka mamelĂ  ny fahotako rehetra.

Salamo 25