Salamo 24:6-10 Malagasy Bible (MG1865)

6. Izany no taranaka mitady Azy, izay mitady ny tavanao, dia Jakoba.

7. Asandrato ny lohanareo, ry vavahady, ary misandrata ianareo, ry varavarana fahagola, mba hidiran'ny mpanjakan'ny voninahitra.

8. Iza izao Mpanjakan'ny voninahitra izao? Jehovah mahery tsitoha, Jehovah mpiady mahery.

9. Asandrato ny lohanareo, ry vavahady; ary manandrata ny lohanareo, ry varavarana fahagola,2 mba hidiran'ny Mpanjakan'ny voninahitra.

10. Iza ary izao Mpanjakan'ny voninahitra izao? Jehovah, Tompon'ny maro, Izy no Mpanjakan'ny voninahitra.

Salamo 24