Salamo 24:3-6 Malagasy Bible (MG1865)

3. Iza no hiakatra any an-tendrombohitr'i Jehovah? ary iza no hitoetra ao amin'ny fitoerany masina?

4. Izay madio tanana sy mahitsy fo, izay tsy manandratra ny fanahiny ho amin'ny lainga, na mianiana hamitaka.

5. Handray fitahiana avy amin'i Jehovah izy, ary fahamarinana avy amin'Andriamanitry ny famonjena azy.

6. Izany no taranaka mitady Azy, izay mitady ny tavanao, dia Jakoba.

Salamo 24