Salamo 22:2-8 Malagasy Bible (MG1865)

2. Andriamanitro ô, miantso aho nony andro, nefa tsy mamaly Hianao; ary nony alina, nefa tsy mahita fiononana aho.

3. Kanefa masina Hianao, Ry mipetraka eo ambonin'ny fideran'ny Isiraely.

4. Hianao no nitokian'ny razanay; Natoky izy, ka namonjy azy Hianao.

5. Hianao no nitarainany, ka afaka izy; Hianao no nitokiany, ka tsy menatra izy.

6. Ary izaho dia olitra, fa tsy olona, fandatsan'olona sy fanevatevam-bahoaka.

7. Izay rehetra mahita ahy dia manaraby ahy; manondro molotra izy sady mihifikifi-doha ka manao hoe:

8. Ankino amin'i Jehovah, dia aoka Izy hamonjy azy; eny, aoka Izy hanafaka azy, raha mankasitraka azy Izy.

Salamo 22