Salamo 22:11-17 Malagasy Bible (MG1865)

11. Aza manalavitra ahy Hianao, fa akaiky ny fahoriana, sady tsy misy mpamonjy.

12. Mitangorona amiko ireo ombilahy be, ny maherin'i Basana manemitra ahy.

13. Misanasana vava amiko izy; eny, liona mamiravira sy mierona izy.

14. Efa rano aidina aho, ka mivaha ny taolako rehetra; tahaka ny savoka ny foko: miempo ato anatiko izy.

15. Maina tahaka ny tavim-bilany ny heriko, ary ny lelako miraikitra amin'ny lanilaniko; ao amin'ny vovoky ny fahafatesana no ametrahanao ahy.

16. Fa mitangorona amiko ny amboa, ny fiangonan'ny ratsy fanahy manemitra ahy. Manindrona ny tongotro aman-tanako izy

17. Mahisa ny taolako rehetra aho ireo dia mibanjina sady mangarika ahy.

Salamo 22