Salamo 21:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, ny herinao no hifalian'ny mpanjaka; ary endrey ny haben'ny hiravoravoany amin'ny famonjenao!

2. Ny nirin'ny fony dia nomenao azy, ary ny nangatahin'ny molony tsy mba nolavinao.

3. Fa notsenainao fitahiana soa izy; teo an-dohany nasianao satro-boninahitra tena volamena.

4. Aina no nangatahiny taminao, dia nomenao azy izany, dia andro lava mandrakizay doria.

5. Lehibe ny voninahiny amin'ny famonjenao; Laza sy voninahitra no nataonao taminy.

Salamo 21