Salamo 2:3-9 Malagasy Bible (MG1865)

3. "Aoka hotosantsika ny famatorany, ka hariantsika hiala amintsika ny famehezany."

4. Izay mipetraka any an-danitra mihomehy, ny Tompo maneso ireo.

5. Dia hiteny azy amin'ny fahavinirany Izy ka hampangorohoro azy amin'ny fahatezerany hoe:

6. "Izaho kosa efa nanendry ny Mpanjakako Tambonin'i Ziona, tendrombohitro masina."

7. "Hilaza zava-boatendry Aho; Jehovah nilaza tamiko hoe: Zanako Hianao, Izaho niteraka anao androany.

8. Mangataha amiko, dia homeko ho lovanao ny jentilisa ary ny faran'ny tany ho fanananao.

9. Hotorotoroinao amin'ny tehim-by izy: toy ny famaky vilany tany no hanamontsamontsananao azy."

Salamo 2