Salamo 18:41-47 Malagasy Bible (MG1865)

41. Mitaraina izy, fa tsy misy mpamonjy, dia amin'i Jehovah, fa tsy mamaly azy Izy.

42. Torotoroiko madinika tahaka ny vovoka entin'ny rivotra izy; Tahaka ny fanary fotaka eny an-dalambe no fanariko azy.

43. Mamonjy ahy amin'ny fifanoheran'ny olona Hianao. Sy manandratra ahy ho lohan'ny firenen-tsamy hafa; ny firenena tsy fantatro aza dia manompo ahy.

44. Raha vao mahare ny lazako fotsiny ihany aza izy, dia manoa ahy; Ny hafa firenena mikoy ahy.

45. Ny hafa firenena dia mihaketraka, ka miala amin-kovitra avy ao amin'ny fiarovany mafy.

46. Velona Jehovah; isaorana anie ny Vatolampiko; asandratra anie Andriamanitry ny famonjena ahy,

47. Dia Andriamanitra, Izay manao famaliana ho ahy ka mampanaiky ny firenena ahy.

Salamo 18