Salamo 18:39-44 Malagasy Bible (MG1865)

39. Hianao mampisikina ahy hery hiady; aripakao ho ambaniko izay mitsangana hamely ahy.

40. Ary ataonao miamboho ahy ny fahavaloko; ka aringako izay mankahala ahy.

41. Mitaraina izy, fa tsy misy mpamonjy, dia amin'i Jehovah, fa tsy mamaly azy Izy.

42. Torotoroiko madinika tahaka ny vovoka entin'ny rivotra izy; Tahaka ny fanary fotaka eny an-dalambe no fanariko azy.

43. Mamonjy ahy amin'ny fifanoheran'ny olona Hianao. Sy manandratra ahy ho lohan'ny firenen-tsamy hafa; ny firenena tsy fantatro aza dia manompo ahy.

44. Raha vao mahare ny lazako fotsiny ihany aza izy, dia manoa ahy; Ny hafa firenena mikoy ahy.

Salamo 18