Salamo 18:35-41 Malagasy Bible (MG1865)

35. Omenao ahy ny ampingan'ny famonjenao; ny tananao ankavanana no manohana ahy, ary ny fahamoram-panahinao no mahalehibe ahy.

36. Halalahinao ny lalana hodiaviko, ka tsy mangovitra ny hato-tongotro.

37. Manenjika ny fahavaloko aho ka mahatratra azy; ary tsy mba miverina aho mandra-pahalàny ritrany.

38. Mamely mafy azy aho, ka tsy mahaleo izy; lavo eo ambanin'ny tongotro izy.

39. Hianao mampisikina ahy hery hiady; aripakao ho ambaniko izay mitsangana hamely ahy.

40. Ary ataonao miamboho ahy ny fahavaloko; ka aringako izay mankahala ahy.

41. Mitaraina izy, fa tsy misy mpamonjy, dia amin'i Jehovah, fa tsy mamaly azy Izy.

Salamo 18