Salamo 18:16-20 Malagasy Bible (MG1865)

16. Naninjitra ny tanany avy tany ambony Izy ka nandray ahy; nanintona ahy niala tamin'ny rano be Izy;

17. Namonjy ahy tamin'ny fahavaloko mahery Izy sy tamin'izay nankahala ahy, satria tsy leoko ireny

18. Nisakana ahy tamin'ny andro nahitako loza ireny, nefa Jehovah no niseho ho Mpanohana ahy.

19. Dia nitondra ahy ho any amin'ny malalaka Izy; namonjy ahy Izy, satria tiany aho.

20. Nanisy soa ahy araka ny fahamarinako Jehovah; araka ny fahadiovan'ny tanako no namaliany ahy.

Salamo 18