Salamo 148:4-9 Malagasy Bible (MG1865)

4. Miderà Azy, ry lanitry ny lanitra, Ary ianareo rano ambonin'ny lanitra.

5. Aoka hidera ny anaran'i Jehovah ireo; Fa Izy no nandidy, dia ary ireo.

6. Nampitoetra ireo ho mandrakizay doria Izy; Nomen-dalàna ireo ka tsy mba mihoatra.

7. Midera an'i Jehovah etỳ an-tany, Hianareo dragona sy ianareo rano lalina rehetra,

8. Ny afo sy ny havandra, ny oram-panala sy ny zavona, Ny rivotra mahery izay mankatò ny teniny,

9. Ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra, Ny hazo fihinam-boa sy ny sedera rehetra,

Salamo 148