Salamo 148:1-6 Malagasy Bible (MG1865)

1. Haleloia. Miderà an'i Jehovah, ry any an-danitra; Miderà Azy any ambony.

2. Miderà Azy, ry anjeliny rehetra; Miderà Azy, ry miaramilany rehetra.

3. Miderà Azy, ry masoandro amam-bolana; Miderà Azy, ry kintana mazava rehetra.

4. Miderà Azy, ry lanitry ny lanitra, Ary ianareo rano ambonin'ny lanitra.

5. Aoka hidera ny anaran'i Jehovah ireo; Fa Izy no nandidy, dia ary ireo.

6. Nampitoetra ireo ho mandrakizay doria Izy; Nomen-dalàna ireo ka tsy mba mihoatra.

Salamo 148