Salamo 147:10-17 Malagasy Bible (MG1865)

10. Tsy ny herin'ny soavaly no mahafinaritra Azy, Ary tsy ny tongotry ny olona no sitrany.

11. Jehovah mankasitraka izay matahotra Azy, Dia izay manantena ny famindram-pony.

12. Mankalazà an'i Jehovah, ry Jerosalema ô; Miderà an'Andriamanitrao, ry Ziona ô.

13. Fa manamafy ny hidim-bavahadinao Izy, Sady mitahy ny zanakao eo afovoanao.

14. Mahatonga ny fari-taninao ho fiadanana Izy; Vokisany vary tsara indrindra ianao.

15. Mampandeha ny didiny ho amin'ny tany Izy; Miely faingana dia faingana ny teniny.

16. Mandatsaka oram-panala tahaka ny landihazo Izy; Mampiely fanala tahaka ny lavenona Izy.

17. Mandatsaka ny havandrany ta-haka ny sombintsombin-javatra Izy; Iza no maharitra ny hatsiakany?

Salamo 147