5. Jehovah ô, aondreho ny lanitrao, ka midina; Tendreo ny tendrombohitra, dia hidonaka ireny.
6. Ampitselatselaro ny helatra, ka ampielezo ireo; Alefao ny zana-tsipìkanao, ka ampifanaritaho ireo;
7. Ahinjiro avy any ambony ny tananao; Afaho aho, ka vonjeo amin'ny rano be, Dia amin'ny tanan'ny hafa firenena,
8. Izay miteny zava-poana amin'ny vavany, Ary ny tànany ankavanana dia tanana ankavanana mamitaka.
9. Andriamanitra ô, hihira fihiram-baovao ho Anao aho; Amin'ny valiha tory folo no hankalazako Anao,
10. Izay manome famonjena ho an'ireo mpanjaka, Sady mamonjy an'i Davida mpanompony tsy ho voan'ny sabatra mandratra.