6. Mananty tanana aminao aho; Ny fanahiko dia tahaka ny tany mangetana eo anatrehanao.
7. Faingàna hamaly ahy, Jehovah ô, fa reraka ny fanahiko; Aza manafina ny tavanao amiko, Fandrao ho tahaka izay midina any am-pasana aho.
8. Ampandreneso ny famindram-ponao aho nony maraina, Fa Hianao no itokiako; Ampahalalao ahy izay lalana tokony halehako, Fa aminao no ananganako ny fanahiko.
9. Jehovah ô, vonjeo amin'ny fa-havaloko aho; Ao aminao no iereko.
10. Ampianaro hanao ny sitraponao aho; Fa Hianao no Andriamanitro; Aoka ny Fanahinao tsara no hitarihanao ahy amin'izay tany marina.
11. Noho ny anaranao, Jehovah ô, velomy aho; Araka ny fahamarinanao avoahy ny fanahiko ho afaka amin'ny fahoriana.
12. Ary araka ny famindram-ponao fongory ny fahavaloko, Ka aringano izay rehetra mampahory ny fanahiko; Fa mpanomponao aho.