Salamo 142:2-7 Malagasy Bible (MG1865)

2. Loarako eo anatrehany ny fitarainako; Ambarako eo anatrehany ny fahoriako.

3. Raha reraka ato anatiko ny fanahiko, dia fantatro ny alehako; Eo amin'ny lalana izorako No nanafenany fandrika hamandrihany ahy.

4. Jereo eo an-kavanana, ka izahao, Fa tsy misy olona mahalala ahy; Foana avokoa ny fiarovana ahy; Tsy misy miahy ny fanahiko.

5. Mitaraina aminao aho, Jehovah รด; Hoy izaho: Hianao no aroko Sy anjarako eo amin'ny tanin'ny velona.

6. Henoy ny fitarainako, Fa reraka indrindra aho; Vonjeo aho amin'ny mpanenjika ahy, Fa tsy leoko ireny.

7. Avoahy hiala amin'ny tranomaizina ny fanahiko, Mba hiderako ny anaranao; Hanodidina ahy ny marina, Satria manisy soa ahy Hianao.

Salamo 142