1. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, mitaraina aminao aho, faingàna hankatỳ amiko; Henoy ny feoko amin'ny fiantsoako Anao.
2. Aoka hankeo anatrehanao mandrakariva toy ny ditin-kazo manitra ny fivavako, Ary ho toy ny fanatitra hariva ny fanandratako ny tanako.
3. Jehovah ô, asio fiambenana eo anoloan'ny vavako; Ambeno ny varavaran'ny molotro.
4. Aza avela hirona ho amin'ny zava-dratsy ny foko, Hiray raharaha amin'ny olona mpanao ratsy hanao izay asa tsy mety; Ary aoka tsy hihinana ny zava-piny aho.
5. Aoka ny marina hamely ahy amin'ny fahalemen-panahy ka hananatra ahy, Fa diloilo ahosotra ny lohako izany, ary aoka tsy handà izany ny lohako; Fa ny hany heriko dia ny mbola hivavaka ihany noho ny faharatsian'ireny.
6. Havarina amin'ny hantsam-bato ny mpitsara azy, Dia hankasitraka ny teniko ny olona.
7. Toy ny fiasa sy ny fihevo ny tany No nanelezana ny taolanay teo am-bavan'ny fiainan-tsi-hita.
8. Fa Hianao no andrandrain'ny masoko, Jehovah Tompo ô; Hianao no ialofako, aza mandatsaka ny aiko.