Salamo 139:10-14 Malagasy Bible (MG1865)

10. Dia mbola entin'ny tananao ihany aho, na dia izany aza, Sy hazonin'ny tananao ankavanana.

11. Ary na dia hoy izaho aza: Aoka ny maizina hanarona ahy, Ary aoka ny mazava manodidina ahy ho tonga alina,

12. Tsia, fa ny maizina aza tsy mahamaizina aminao; Fa ny alina dia mahazava toy ny andro ihany, Ka sahala ny mazava sy ny maizina.

13. Fa Hianao no nahary ny voako; Namolavola ahy tao an-kibon-dreniko Hianao.

14. Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy; Mahagaga ny asanao; Ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.

Salamo 139