Salamo 138:1-4 Malagasy Bible (MG1865)

1. Nataon'i Davida. Hidera Anao amin'ny foko rehetra aho; Eo anatrehan'ireo andriamanitra no hankalazako Anao.

2. Hivavaka manandrify ny tempolinao masina aho Ka hidera ny anaranao noho ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao; Fa efa nomenao voninahitra ny teninao ho ambonin'ny anaranao rehetra.

3. Tamin'ny andro nitarainako dia namaly ahy Hianao; Nomenao fahasahiana aho ka nisy hery ny fanahiko.

4. Jehovah รด, hidera Anao ny mpanjaka rehetra amin'ny tany, Fa handre ny tenin'ny vavanao izy.

Salamo 138