13. Fa Jehovah efa nifidy an'i Ziona. Ary naniry azy ho fonenany.
14. Ity, hoy Izy, no fitsaharako mandrakizay doria; Eto no honenako, fa efa niriko ity.
15. Hotahiko tokoa ny fihinana ao; Hovokisako hanina ny malahelo ao.
16. Ny mpisorona ao dia hampitafiko famonjena; Ary hihoby tokoa ny olo-masina ao.
17. Ao no hampitsimohako tandroka ho an'i Davida Sy hanamboarako jiro ho an'ny voahosotro.
18. Ny fahavalony hampitafiko henatra; Fa eo aminy kosa no hamirapiratra ny satro-boninahiny.