1. Fihirana fiakarana. Jehovah ô, tsarovy Davida Noho ny fiahiany rehetra,
2. Dia ilay nianiana tamin'i Jehovah Sy nivoady tamin'ny Maherin'i Jakoba hoe:
3. Tsy mba hiditra ao an-daiko aho, Na hiakatra amin'ny farafara fandriako,
4. Tsy mba havelako hatory ny masoko, Na ho rendrehana ny hodimasoko,
5. Mandra-pahitako fitoerana ho an'i Jehovah. Dia fonenana ho an'ny Maherin'i Jakoba.
6. Indro, nandre azy tany Efrata isika; Nahita azy tao amin'ny saha anaty ala isika.
7. Aoka hiditra any amin'ny fonenany isika Ka hivavaka eo amin'ny fitoeran-tongony.
8. Mitsangàna, Jehovah ô, ho amin'ny fitsaharanao, Dia Hianao sy ny fiaran'ny herinao.
9. Aoka ny mpisoronao hirafy fahamarinana Ary aoka ny olonao masina hihoby.
10. Noho ny amin'i Davida mpanomponao Dia aza mampiala maina ny tavan'ny voahosotrao.