1. Fihirana fiakarana. Nataon'i Solomona. Raha tsy Jehovah no manao ny trano, Dia miasa foana ny mpanao azy. Raha tsy Jehovah no miambina ny tanĂ na, Dia miari-tory foana ny mpiambina.
2. Zava-poana ho anareo ny mifoha maraina Sy ny alim-pandry Ka homana ny hanina azo amin'ny fahasahiranana; Izany anefa dia omeny ihany ho an'ny malalany, na dia matory aza izy.
3. Indro, lova avy amin'i Jehovah ny zanaka maro; Tamby ny ateraky ny kibo.