Salamo 124:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Fihirana fiakarana. Nataon'i Davida. Raha tsy Jehovah no nomba antsika, Eny, aoka hataon'ny Isiraely hoe:

2. Raha tsy Jehovah no nomba antsika, Raha nitsangana hamely antsika ny olona.

3. Dia nitelina antsika velona izy, Raha nirehitra tamintsika ny fahatezerany;

4. Dia nandifotra antsika ny rano, Ary nanafotra ny fanahintsika ny riaka;

5. Eny, nanafotra ny fanahintsika Ny rano misafoaka.

Salamo 124