Salamo 122:6-9 Malagasy Bible (MG1865)

6. Mangataha fiadanana ho an'i Jerosalema; Hambinina anie izay tia anao;

7. Fiadanana anie ho ao anatin'ny mandanao; Fanambinana anie ho ao an-dapanao

8. Noho ny rahalahiko sy ny namako No hanaovako hoe Fiadanana anie ho ao anatinao.

9. Noho ny tranon'i Jehovah Andriamanitsika Dia hitady izay hahatsara anao aho.

Salamo 122